Ny voahary sy ny kolon-tsaina - Trano fandraisam-bahiny Soamahatony

      Na dia tsy lavitra ny renivohitra aza ny toerana misy azy (tsy ampy adiny iray amin’ny fiarakodia) dia azo ambara fa manana ny maha izy azy manokana i Soamahatony satria mifahatra sy mamaka amin’ny tantaran’Imerina fahiny.

     Maneho izany ny fahasamihafan’ny endriky ny toerana samihafa izay tazana avy eny Soamahatony : lemaka fambolem-bary, havoana mitohatohatra namokarana voly samihafa, tataovan’ireo tanàna niainan’ny mpamboly. Alaivo an-tsaina ny taon-jato telo na efatra teo aloha : heniheny tsy mahasalama no teo amin’ny toeran’ireo tanimbary ireo, ary ny fambolena teny an-tehezam-bohitra no niveloman’ny mponina. Voafefin’Antananarivo ny vodilanitra ery atsinanana. Tamin’ny faran’ny taon-jato faha 19 dia lakana no mbola nihazoana ny renivohitra ary nifamoivoizan’ny mponina teo amin’ireo vohitra manodidina ireo rehefa fahavaratra. Mampahatsiahy izany ny fokontanin’Ambavafitana (fiantsonan’ny lakana) izay mifanatrika amin’i Soamahatony : tsy maintsy nitana ireo tanimbary sy heniheny izay hanjary farihin’Ambohibao taty aoriandriana. Misy milaza aza fa mbola misy voay vitsivitsy eo anivon’ireo tanimbary efa novolena taon-jato roa ireo !         

     Ery amin’ny kisilasila eo ambanimbanin’i Soamahatony no ahitana ireo bolongam-bato izay toa mbola tsy niova endrika mandrakizao. Mbola ahitana ny tarazon’ny ala tranainy tety afovoantany ny manodidina azy ireo, toy ny Ampangabe (Cyathea dregei) izay efa lany tamingana any atsinanan’i Madagasikara noho ny fanaovana tavim-boninkazo ary mila tsy ho hita intsony ety anivon-tany. Toraka izany ny Goavitsinahy (Psidium attleyanum), izay mampahatsiahy ny tsiron’irony frezy madinika fahita any anaty ala irony. Mikajy ireo zava-maniry ireo ny fiarahamonina eo an-toerana, toraka izany koa ny fanohizana ny voly legioma manamorona ny tanimbary, izay manampy ny mponina eo amin’ny fivelomany rahateo. Maro ireo karazam-borona mialokaloka eny, toy ny martin pêcheur, le hibou du Cap, deux espèces de Cua, les coucous malgaches, le Sohimanga, un colibri . Mandray anjara mavitrika amin’ny fiarovana ireny vorona ireny i Daniel sy i Sahondra. Ankoatra izany dia ataon’i Daniel anton-draharaha mihitsy ny fanamboarana ireo lalan-kely eo anivon’ny tanànan’i Soamahatony ahazoana mandinika ny zava-maniry. Sahabo ho roan-jato ny isan’ireo zava-maniry vita etikety, ny ankamaroany dia zava-maniry tena malagasy, ao ireo izay ahazoana mitsabo aretina samihafa. Marihina fa azon’ny vahiny jerena avokoa ireo fampahafantarana ny zava-maniry nangonin’i Daniel ireo. Efa ho dimy ambin’ny folo taona izao no niezaka namboly zava-maniry avy amin’ny faritra hafa koa i Daniel, izay hita eny an-tsefatsefa-bato na arovana tafo manokana, ary dia maro tamin’izy ireny no naniry sy nitombo, na dia mahery vaika aza indraindray ny tsio-drivotra amin’ny andro ririnina.

     Ireo zokiolona eo Ankadivory sy Ambohijanahary ary Antsakambahiny dia toa tsy sarotiny loatra mahita izany fanovana izany : noho ny hakanton’ny zava-boahary sy ny hasin’ireo vatolampy eny an-toerana angamba. Hoy ny sakaiza sasany : "mitsoka ety ny Fanahy". Izany fanahy toa mirakitra filaminana sy fahatoniana izany ve no niavian’ny anaran’i "Soamahatony" ? Ambara koa anefa fa mitoetra eny amin’ny vatolampin’Ankadindranomasina ny "Vazimba masiaka", araka ny lovantsofina fahagola (hatramin’ny taon-jato faha 16). Aleo tsy mankahatra e ! Misy loharano heverina ho manan-kasina ihany koa eny ho eny.

     Ahitana mariky ny fisiana tanàna fahizay ao Soamahatony : fototra sy rindrin-tany mbola tsy nikoro tanteraka ; sompitra misarona takotra vato any ambany efitrano. Tahaka izay hita manerana an’Imerina dia tsy mifanalavitra amin’ny trano fonenan’ny velona ny fasana fandevenana ny razana.